Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h31
 

Répondre à un commentaire

9 mars 2017 à 09:18 | lysnorine (#9752)

@ Boris BEKAMISY (#4810) répond à Babah
Toa voakosoka ny valin-teninao momba ny fitsabatsabahan’ny Frantsay sasany amin’ny raharahan’i Madagasikara (na dia nisy fanakianana namerina azy aza avy eo). Nahatonga anay hanao izao famakafakana ny tantara toy izao io valin-teninao io.

Fanontaniana tonga ao an-tsaina avy hatrany tokoa ireo natranganao ireo vantany vao mamaky ny soratra maro eto amin’ity sehatra ity, avy amin’ny Tsotsoka – Frantsay na Kiriolona angaha – manimanina ny andron’ny fanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara sy ny fanandevozany ny Malagasy nandritra ny 65 taona (1895-1960).

Izany angaha no mahatonga azy ireo tsy mitandro hasasarana manevateva ny Malagasy amin’ny ankapobeny sy ny mpitondra fanjakana nisesy teto sy ny mpanao raharaham-panjakana niara-niasa tamin’izy ireo. Toa mbola mihevitra tahaka ny razambeny tokoa izy ireo, hatramin’ tamin’ny taon-jato faha-16, fa fananany voa-Janahary i Madagasikara ka tsy namelany raha tsy babony tamin’ny faramparan’ny taon-jato faha-19.

Mahavariana ihany koa fa mbola tsy mety milentika ao amin’ny karan-dohan’izy ireo fa tsy nila ny Frantsay sy Frantsa hanjanaka ny tanindrazany ange ny Malagasy na niandry na nila ny « sivilizasiona » nentin’ny foko Frantsay mpanandevo ny firenena TSY MIHODI-POTSY izay voarakitry ny hoe « CODE DE L’INDIGÉNAT ». Ampy dia ampy tamin’ny Malagasy sy nampandroso azy fatratra ary haingana dia haingana ny « sivilizasiôna » nampidirin’ny misiona Kristianina avy any Angletera teto, ny L.M.S. sy ny F.F.M.A. voalohany indrindra, ka nialonan’ ny Frantsay izay nibodo tsikelikely an’i Madagasikara mandra-panafihiny azy niantomboka tamin’ny 1881 ka nifarana tamin’ny Lalàna jadona nandika ny lalàna iraisam-pirenena tamin’ny 6 Aôgositra 1896 nanambara an’i Madagasikara sy ny Nosy miankina aminy ho zanatany frantsay.

Misy fanarenana ny tantara vala maty fanesiky ny Frantsay tsara ampidirina kely eto mba tsy hahavoafitaka ny tompon-tany Malagasy izay mety zatra mpanao rapa-dango izay soratany rehetra !

Averimberin’ny mpanao tantara Frantsay matetika moa fa ny Fanjakana angilisy hono no nampirisika an-dRadama 1 hamory an’i Madagasikara ho eo ambany fanapahana mpanjaka tokana (tahaka ny niezahan’ny mpanjaka frantsay rehetra nandimby an’i Hugues Capet, andriana avy ao Paris, voafidy ho mpanjakan’ny faritany kely nantsoina hoe « Royaume de France tamin’ny 987, nandritra ny taon-jato ENINA – hatramin’ny taon-jato faha-11 ka hatramin’ny faha-16 – haha-fanjakana ambany fanapahana mpanjaka tokana an’i Frantsa).

Ny misiona no nampandroso ny Fanjakana malagasy fa tsy ny Fanjakana angilisy velively izay nitahitahy an’i Frantsa foana ny amin’i Madagasikara, ary ny fikatsahan’ny mpanjakan’Imerina ny haha-ambany fanapahana tokana an’i Madagasikara dia efa nanomboka tamin’ilay teny malazan’Andrianampoinimerina hoe : « Ny riaka no valam-parihiko » ka notontosain-dRadama 1 tamin’ny ankapobeny. Tsy laitry ny vavonin’i Frantsa mihitsy no nitondran-dRadama 1 sy ny mpandimby azy ny anaram-boninahitra hoe « Mpanjakan’i Madagasikara » ! Mazava tsara angamba fa TSY AMPY ZATO TAONA IRAY AKORY dia efa voavory ho fanjakana ambany fanapahana tokana i Madagasikara amin’ny ankapobeny, kanefa zato taona ENINA vao nahatontosa izany i Frantsa ! Tsarovana koa fa tamin’ny Janoary 1871 i Alemanina iray manontolo vao lasa Fanjakana ambany fanapahana tokana ary Italia iray manontolo tamin’ny Jolay 1871...izany hoe taoriana elan-dRadama 1. Ny firafitra najoron’ny fanjakana malagasy faha- fanjakana Andriana no nampiasain’i Galliéni hampandry tany haingana izay vao mainka nohamorain’ny Ambaniandro mpivarotra tanindrazana, nihazakazaka nanompo ny mpanjanan-tany ka namely ny Malagasy nanohitra azy.

Vao haingana no nampahatsiahivinay teto fa ankoatra ny fandripaham-bahoaka tambabe (GÉNOCIDE) sy ny fanandevozana tamin’ny Indigénat sy ny SMOTIG [Service de la Main-d’Œuvre pour les Travaux d’Intérêt Général, fampanaovana asa an-terivozana karamaina vary masaka ka nahafaty tompon-tany maromaro] dia fanakanana ny fandrosoan’ny tompon-tany Malagasy no votoatin’ny pôlitikan’i Galliéni sy ny mpandimby azy [Zahao : http://www.madagascar-tribune.com/Polemique-indignation-colere-et,22881.html « Polémique, indignation, colère et demande de compte », 1er mars à 09:24 | lysnorine (#9752) répond à lysnorine ; 1er mars à 10:26 | lysnorine (#9752) répond à lysnorine ; 1er mars à 10:40 | lysnorine (#9752) répond à lysnorine].

Koa ny fanambany – infrastructures – naorin’ny mpanjanan-tany teto Madagasikara hanabeazam-boho ny fitavanany ny harenan’i Madagasikara dia tsy azo hadinoina velively fa vokatry ny HATSEMBOHAN’ny tavan’ny tompon-tany nandevozin’ireo fampanaovana asa an-terivozona ireo sy ny HETRA NALOANY HANEFANA NY VOLA BE NOSAMBORINA tany an-dafy ka nanatavy ny orinasa kôlônialista nahazo ny « marché » (ohatra : ny nanaovana ny Lalam-by Fianarantsoa-Manakara). Koa tokony tsy hidaondaom-bava momba izany ka mahalala manakombona ny vavany ireo mpanandratra ny hoe zava-bitan’ny kôlônialisma teto Madagasikara fa toa mihevitra izy ireo fa tsy mahalala sy tsy maharaka ny tantara daholo ny Malagasy mpiara-belona ankehitriny.
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS