Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Répondre à un commentaire

8 mars 2017 à 08:30 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 7 mars à 15:02
« .A la fin des temps (notre époque ) les ivrais sont séparés des bons grains et les béliers ( incarnation du péché) avec les agneaux (symbole des Sauvés) [...] Comme les ivrais et les bon grains, Ils vivent et gradissent ensemble mais arrive le temps où ils seront séparés. Les mauvais seront jettés au feu tandis que les bons iront dans le grenier de Maître. » ?

Mahavelona eritreritra ihany ireo andalan-teny momba ny andro farany ireo rehefa ampifanatrehina amin’ ireto voalazan’ny Apôstôly Paoly ao amin’ny Epistiliny faha-2 ho an’i Timoty (3 : 1-5, 13) ireto, izay tsy efa hatry ny ela ve no niainantsika azy isan-andro eto Madagasikara, ary vao mainka iainantsika ankehitriny, raha banjinina ny fihetsika sy famindran’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao raharaham-panjakana ary ny mpilalao pôlitika ? Tsy asian-teny ny an’ny mpiara-monina mitana toeran-kafa ambonibony na antonintoniny na mitrongo vao homana ! Koa toa ohatra ny tsy hisy mihitsy izay voa tsara hosarahana amin’ny voa ratsy amin’ilay andro sy ora tsy fantatra fa samy efa an-dalana « hiroso ho any amin’ [ilay] fampijaliana maharitra mandrakizay » isika rehetra.[Mat.25:46]
2Timoty 3
1 Fa aoka ho fantatrao izao : Amin’ny andro farany dia hisy andro mahory.

2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina.

3 tsy hifaditra ovana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,

4 ho mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra,

5 Hitana ny endrika ivelany isehoan’ny fivavahana nefa mandà ny heriny.

13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia vao mainka hiharatsy hatrany sady mamitaka no voafitaka.

[nalaina avy amin’ireto baiboly malagasy ireto : DIEM, Ny Soratra Masina (Protestanta), ny Baiboly Masina (Katôlika), ary Ny Soratra masina Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Vavolombelon’i Jehovah)]

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS