Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h28
 

Répondre à un commentaire

16 février 2017 à 09:02 | lysnorine (#9752)

KELIBERANO -2004 sy ny lehiben’ny Zandary tao IHOSY tamin’izany andro izany : tantara nahatsiravina tsy hita marina izay tena niafarany fa dia toa tsy mba resahina mihitsy ankehitriny.

« Me Rakotomavo Razafimanantsoa Hanitriniaina : Tsy azo ialana ny filoha Ravalomanana »

Solo Razafy-Publié le 11 novembre 2012
http://mydago.com/2012/11/me-rakotomavo-razafimanatsoa-hanitriniaina-tsy-azo-ialana-ny-filoha-ravalomanana-marc/
[...]
« Anisan’ny nandray fitenenana teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo Me Rakotomavo Razafimanantsoa Hanitriniaina.[...]

« Mahakasika ny any ATSIMO dia nambarany fa ny filoha Ravalomanana sy isika teto an-toerana dia efa nanaitra ny rehetra mikasika io zavatra io.

« Nampatsiahivin’ity mpisolovava mpanao politika ity ny zavatra nitranga tamin’ny taona 2004. Nisy izany atao hoe “operation FADIO” izany tany IHOSY na ilay « KELIBERANO ». BE DIA BE hoy izy ny MPISOLOVAVA [sy mpitsara !] MAHAFANTATRA TSARA io raharaha io ary anisan’izany NY TENAKO. Ny zavatra nisy tamin’izany hoy Me Hanitra dia ny COMMANDANT DE BRIGADE tany IHOSY dia IO OLONA nalefan’ingahy Rajoelina hitarika ny iraka any Atsimo amin’izao fotoana izao. Nisy ny MPANGALATR’OMBY ary avy eo LASA DAHOLO NY IRAY TANÀNA ka novonina [NOVONOINA] sy NODORANA NY TANÀNA. Nandeha teny amin’ny fitsarana tao Fianarantsoa ny raharaha. Tsy mbola vita io raharaha io hoy izy satria resaka FAMONOANA OLONA MAROBE tamin’izany DIA LAZAINA FA DAHALO IREO OLONA IREO. Ratsy dia ratsy ny toeran’io OLONA mitarika [NITARIKA] io operation FADIO io tamin’izany satria famonoana olona no natao, ka mandritra ny folo taona dia mbola azo hanenjehina azy izany. Nandeha ny fitsarana tao Ihosy hoy Me Hanitra ary tonga tany amin’ny fitsarana tao Fianarantsoa. Tsy afabela tamin’io raharaha io olona io. Nalaina anefa ny antotaratasy [antontan-taratasy] nentina tany amin’ny MINISTERA izay nisy ny nanarotsarona [NANARONTSARONA] . Tamin’ny 2008 dia mbola nandeha io raharaha io. Noho izany hoy ity mpisolovava mpanao politika ity dia tsy mahagaga raha io olona voatondro io no LASA MANKANY AMIN’NY MPANONGAM-PANJAKANA. Misy tomboantsoa [tombontsoa] manokana arovanao [arovana] ao amin’izao fotoana izao. Io hoy Me Hanitra no tena fanitsakitsahana ny zon’olombelona, izay mitovy amin’ny GÉNOCIDE. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy nenjehina tamin’ny raharaha 07 febroary, lazaina fa namono olona ary ny taratasy any amin’ny fitsarana dia voalaza fa 36 ny olona maty tamin’izany. Ny lalàna iraisam-pirenena hoy izy dia rehefa mihoatra ny 100 [ny] olona maty dia atao hoe GÉNOCIDE. Izao isika miteny izao dia misy olona nanome antontan’isa fa manakaikikaiky ny 800 ny isan’ny olona maty any Atsimo. Vao hainga[na] hoy izy ilaikely no nandeha tany New York nanao sonia ny fanafoanana ny fanamelohina ho faty. Efa hatramin’ny 1960 ka hatramin’izao ny lalàna malagasy dia misy izany fa tsy mbola nisy malagasy iray novonina ho faty. Ny fitsarana aza mahavita manao hoe melohina ho faty ny olona fa tsy vonoina ho faty, fa tazonina mandra-pahafaty.

« Ny zavamisy hoy Me Hanitra dia ny filoha Ravalomanana Marc henjehina amin’ny famonoana olona ka tsy avela hilatsaka kanefa ingahikely no nanatitra ny kolonely Lylison sy ny namany tamin’ny fomba ofisialy tany Betroka tamin’ny fanomboahan’ny operation tandroka. Dikan’izany hoy izy dia ny filoha Ravalomanana Marc lazaina fa filoha faratampon’ny foloalindahy, tomponandraikitra voalohany teto amin’ny firenena, izay nahatonga ny firaisana tsikombakomba tamin’ny 07 febroary. Ity zavatra nitranga ity hoy Me Hanitra mihoatra ny 100 ny olona maty. Noho izany dia ianao filohan’y tetezamita nanome tsodrano ireo mpitandro filaminana ireo no nanomo [namono] ny malagasy ohatra anao. Tomponandraikitra amin’ny famonoana olona tany Atsimo izany ianao. Azontsika atao tsara hoy izy ny mitory any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena satria izay no crime contre humanité ary mahefa ny fitsarana amin’ny zavatra tahaka itony.[...] »
[Hotohizana]

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS