Fitantanana ny renivohitra
Ho voasazy ve i Andry TGV ?
vendredi 28 mars 2008 |
| 2155 visites
Henjana ny raharaha eto an-drenivohitra. «Tsy handefitra manana ny rariny aho», hoy i Andry Rajoelina, mpitarika ny TGV, manoloana ny fanendrena sefom-pokontany ho ataon'ny « Préfet de Police ».
« Tsy afaka mibaiko ireto sefom-pokontany ireto intsony aho, satria olon'antoko izy ireo, ary fantatra fa nanohana kandida nandritra ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo. Misy vola Ar 400.000 miditra amin'ny fokontany iray, nefa tsy misy miditra any amin'ny kaominina io. Maika ny fampandrosoana (...)