Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Malagasy

Anosibe Mandrangobato II

Zava-maneno manakotaba fiaraha-monina

mardi 17 juin 2008 |  880 visites  | Hery A.

Samy manao izay saim-pantany ireo olona manana zava-maneno ka entina manakotaba fiaraha-monina na dia fantatra izao aza fa misy lalàna mandrara izany. Nandritra ny herinandro teo izay no namoahan’ity mpivarotra fanaka iray ny zava-manenony eo amoron’ny arabe. Mitatatata tsy ifandrenesana izany mandritra ny tontolo andro, na elanelan’andro na alahady.

Maro no manao ity fihetsika manafintohina ny mpiara-monina ity saingy ity eo amin’ny fokontany Mandrangobato II etsy Anosibe ity dia fanahy iniana mihitsy. Mivarotra fanaka eo amoron’ny arabe ny tompon’ny zava-maneno. Avoakany eo avokoa ny karazana zava-manenony ao an-trano ao ary arantiranty. Tsy ankiiato ny hira mavesatra. Ny mahasorena mantsy dia ny fisehoan’ity olona ity ho manana « maneno » tena raitra, nefa mibarareoka mankaleo ny mihaino azy. Etsy andaniny dia toerana tsy fandalovan’ny olona hividy fanaka mihitsy no ametrahana ny entana. Saronany labasy hatramin’ny arabe, sady mibahana aok’izany.

Tsy nohenoina ny
tenin’ny sefo fokontany

Tamin’ny alahady teo moa dia nandefa ny zava-manenon’ity olona ity vao maraina. Taitra ny manodidina ka niantso ny lehiben’ny fokontany. Tsy nahazo alalana ireo hoy ny sefo fokontany ka aleo ho teneniko. Taorian’ny nitenenan’ny sefo fokontany azy dia nahena kely ny feo. Minitra vitsy taorian’izay dia injay indray ny tabataba, arahana antsoantso amin’ny
« micro ». Nahazo alalana tamin’ny sefo fokontany angamba ry zalahy ka nanamafy ny feo.

Nitohy izany hatramin’ny omaly alatsinainy, ary azo antoka fa hanakotaba eo foana io raha tsy handraisana fepetra. Fantatry ny vahoaka ny lalàna. Voalohany dia tsy ara-dalàna ny fivarotana ireo fanaka eo amin’ny arabe. Faharoa dia manohintohina ny fiaraha-monina ny zava-maneno mafy sady ratsy feo.

Voakotaba ny mpanao
fanadinana

Anisan’ny velon-taraina amin’izao ireo mpianatra nanao fanadinana CEPE sy hanao fanadinana BEPC. Ao anatin’ny famerenana lesona indrindra izao satria ankatoky ny fanadinana. Etsy andaniny dia maro ny olona mitaiza kely eo amin’ny manodidina ity toerana ity izay marihana moa fa fivarotan-kazo, sady mpandrafitra. Tsy ilaozan’ny olona tsy salama koa any antokantrano any, ary betsaka rahateo ny olona miasa amin’ny alina ka amin’ny antoandro vao mba afaka matory. Tsy eritreretin’ity mpanana ity anefa izany.

Ny sefo fokontany moa toa mahalala tsara izany lalàna izany saingy tsy fantatra izay fifanarahany any ambadika any. Dia mbola antsoina eto ny manampahefana mba hampianatra ny olona hahay hiaina eo anivon’izany fiaraha-monina izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS