Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 11h06
 

Malagasy

Kongresin’ny TEZA

Voahilika tamin’ny toerany i Moxe

lundi 7 avril 2008 |  613 visites  | Naivo kely

« Toerana hifandimbiasana, ary aleo ny tanora handray ny andraikiny ». Isan’ny teny mahitsy nambaran’ny filoha mpanorina ny TEZA io. « Fampitana ny faneva ho eo ambany fitarihan’ny tanora izao », hoy ingahy Moxe Ramandimbilahitra, « satria 10 taona izao no nitarihako ity antoko ity ». Ampy traikefa amin’izany ireo mpandimby. « Tsy entam-barotra akory ny TEZA ka azo atakalo », hoy ihany ingahy Moxe, « ary mahaiza mitandrina fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna, fa raha tsy izany, dia ny fihavanan-jiolahy no hanjaka ao anaty fokonolona. Tsy halozana ny fampiharana ny lalàna fa fiarovana ny rariny sy ny hitsiny ».

Voahilika tamin’ny toerany i Moxe, fa toy izao kosa ny fehinkevitry ny mpizaika. Mitaky ny hanaovana ny fifidianana any Sainte-Marie, Nosy be ary Taolagnaro mialohan’ny fifidianana izay ho loholona. Takiany ny hamoahan’ny « Chambre de cassation » ny valin’ny fitoriana tamin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo.

Mila hatsangana ny banky fampandrosoana ka tokony hanana petra-bola ao ny fanjakana, ny mpandraharaha Malagasy, ary ny malagasy te-hividy petra-bola ao. Tokony hovana ny firafitry ny Governemanta hamaritra ny « orientation générale ».

Mitaky ny hamerenana ny fifidianana rehetra any amin’ny fokontany ka izay mahazo vato be indrindra amin’ireo olona 5 no ho tendrena sefom-pokontany. Toy izany ny eto Antananarivo renivohitra, ary hatsangana ny « Haute cour de Justice ». Teny Maibahoaka Ivato no nanatontosana ireo, ary i Rakotoamboho Jean Louis no voatendry hisolo an’i Moxe amin’ny toerany. Ity filoha mpanorina kosa kosa dia ho mpanolon-tsaina amin’ny lafiny maro ao anatin’ny antoko.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS