Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 19h25
 

Malagasy

Kianjan’ny 13 mey

Vaky nandositra i Lecacheur

samedi 12 avril 2008 |  1278 visites  | Naivo kely

« Na higadra na hamoizako ny aiko, tsy hiemotra aho amin’ny fitarihana ny olona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza, satria raha ny filazako ny marina no hisamborana ahy ho any amponja tsy olana ».

Isan’ny teny heno tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’ingahy Henri Lecacheur tamin’ny mpanao gazety andro vitsy lasa izay. Vaky nandositra anefa ny lehilahy omaly raha vao natazana ny mpitandro ny filaminana saika hisambotra azy teny Analakely. Nifandrotehin’ny olona ihany koa ny mpanao Gazety, izay saika haka sary teny, soa fa nahay nandositra fa raha tsy izany voaroba teo.
Gaga ny maro nahita itsy mpitari-tolona vaky nandositra tany anaty fiara 4x4.

Raha nisy fifandonana izany teo, dia naratra na voasambotra fotsiny ireo olona notarihana, satria ny mpitarika manana fiara afahana mitsoaka. Ny toy izao no mampalaina ny olona hidina andalam-be. Nilamina ny tanana na dia teo aza ireo savoritaka kely ireo, ary nanohy ny asany andavan’andro ny tsirairay. Mbola hitohy ve ny tolona sa vita hatreo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS