Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 00h52
 

Malagasy

Soanierana Ivongo - Sainte Marie

Tsy navela niasa ny lakana haingam-pandeha

jeudi 12 juin 2008 |  590 visites  | Hery A.

Nihitsoka ny fitaterana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy ny nosy Sainte Marie, omaly maraina ka saika niteraka savorovoro tany Sainte Marie mihitsy. Tsy nisy niasa ny lakana haingam-pandeha noho ny filazana ofisialy navoakan’ny kaominina Soanierana Ivongo. Voalaza tamin’io fanambarana io fa tsy mahazo mampiasa ny fitaterana olona ireo lakana haingam-pandeha. Ny fivezivezen’ireo lakana haingam-pandeha amin’ny faritra iadidian’ny kaominina Soanierana Ivongo no voakasiky ny fanambarana, ka noho izany dia niato ny fitaterana.

Raha ireo mpandeha saika hiainga tao Sainte Marie fotsiny dia mahatratra 100 eo ho eo. Maro amin’ireo olona ireo no manan-draharaha maika hovonjena, teo koa ireo mpizaha tany izay voafetra ihany ny fijanonany any an-toerana sy eto Madagasikara. Nisy ihany koa ireo mpandeha niainga avy eny Soanierana Ivongo no tavela ka niandry vasioka fotsiny.

Omaly maraina ihany anefa dia voarain’ny minisitry ny fitaterana ny fisehoan-javatra ka nisy ny fepetra noraisina avy hatrany. Nomena alalana avy hatrany ireo lakana haingam-pandeha, ka afaka nanao ny asany na dia tara aza. Araka ny vaovao azo moa dia nanambara ny minisitra fa raha resaka hetra tsy voaloa, araka ny voalaza fa fototry ny olana, dia azo ifampiresahana izany, fa tsy nampiatoana ny fifamoivoizana. Voalaza tokoa moa fa nisy ny ampahana hetra mbola tsy voaloan’ireo mpampiasa lakana haingam-pandeha ka nahatonga ny kaominina nandray fanapahan-kevitra hentitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS