Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 22 mai 2024
Antananarivo | 00h33
 

Malagasy

Fidangan’ny kojakoja fanaovan-trano

Tsy mampihemotra ny te-hanana

jeudi 27 mars 2008 |  953 visites  | Naivo kely

Tranoben’Antananarivo, izay vita aloha no manenina. Toa mifanohitra amin’io fomba fiteny io indray no hita ankehitriny. Izay nahavitamialoha no mitango hofa-trano.

Ny endriky ny trano no mety miova fa ny hamafiny sy ny fomba nentin-drazana kosa dia vidiana lafo ankehitriny.

Ny ho enti-manana dia miakatra andro aman’alina, nefa ny fahefa-mividin’ny mponina io hiarahana mahita io. Ny biriky iray, dia mananika ny 60 ariary ny iray ny simenitra kosa dia mahatratra 23.500 ariary ny iray. Ny fanitso iray metatra sy sasany dia 4000 ariary ny iray. Tsy mampihemotra ny olona te-hanana trano anefa izany, satria dia maro no maka taratasy fahazoan-dàlana eny anivon’ny kaominina hanorina trano. Ny indro kely dia ny olana eo amin’ny fananan-tany. Mivezivezy ireo olona maka ny taratasy fanamarinana ny taniny. Misy aman-taona vao mahazo izany, ka zary mipetra-potsiny ny vola hanorenana ity trano ity. Ny vidin’entana anefa io miakatra andro aman’alina io. Tsy ho gaga isika raha maro ireo trano tsy vita fototra dia miato.

Raha ny eto an-drenivohitra manokana no jerena, dia maro ny manorina tsy ara-dalàna, na ny firafitry ny trano, na ihany koa ny toerana hananganana izany. Ny filoha Ravalomanana aza dia nilaza ny taona lasa iny fa tsy azo omena alàlana intsony ny olona manangana trano raha tsy vita milaloha ny toeram-pivoahana. Rariny io, satria maro ny toerana tsy misy izany. Ny fanorenana trano aloha dia tsy mampihemotra ny tsy manana ny fananganana azy, fa rehefa misy toerana hisitrihan’ny loha dia efa zava-dehibe.

Isan’ny tetika tsara napetraky ny mpitondra teo aloha ny momba ny fananganana « 35.000 logements », saingy toa lasa kobaka am-bava fotsiny io, fa i Mompera Pedro indray no nananika io ny trano vitany. Midika io fa ny sehatra tsy miankina indray no mahavita lavitra noho ny fanjakana. Ny fanirian’ny Malagasy, dia ho tompony fa tsy mpanofa lava izao, saingy aiza anefa ny ho enti-manana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS