Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 11 mai 2024
Antananarivo | 17h59
 

Malagasy

Amborompotsy-Talatamaty

Tovolahy 17 taona nanolana zazavavy 7 taona

vendredi 21 mars 2008 |  4828 visites  | Nivo T. A.

Zazavavy vao 7 taona monja no novetavetain’ity tovolahy iray, 17 taona, teny Amborompotsy-Talatamaty. Toy ny ankizy tezaina ao an-trano no nandraisan’ireo ray aman-dreny nampiantrano azy kinanjo nivadika biby ny anao lahy. Ilay zazavavy kely tao an-trano izay nokarakarainy no naolany ary simba tanteraka.

Araka ny vaovao azonay, dia efa nanolana zazavavy iray hafa (manodidina ny 7 taona teo ihany koa) izy ity , volana vitsivitsy lasa izay, saingy tsy sahy nitantara tamin’ny ray aman-dreniny ilay zaza. Efa nifindra tany Manakara moa izy ireo vao nilaza ny nanjo azy ilay zaza. Fianakavian’ireo olona nipetrahany teo aloha moa no nandray ity tovolahy teny Amborompotsy, ary dia izao nanaovany habibiana hafa izao indray.

Tsy nampoizin’ilay fianakaviana tokoa ny zava-nitranga, satria tovolahy tsotra sady hendry no fijery ilay tovolahy kinanjo nahavita zavatra mamoafady tamin’ilay zazavavikely. Nambaran’ilay tovolahy moa fa tsy fantany akory izay antony nahatonga azy nanolana ilay zaza. Nilaza izy fa tsy manana sakaiza fa dia nanandrakandrana tamin’ireo zazavavy roa. Tsy ampy azy ny nataony tamin’ilay zaza voalohany izay lasa any Manakara ka dia nokarakarainy indray ity zaza iray hafa, eny fa na dia ao an-trano aza ny ray aman-drenin’ilay zaza. Nambaran’ilay tovolahy mantsy fa tao ambany rihana ireto farany fa tany amin’ny efitra ambony kosa izy no nametaveta ilay zaza. Soa fa nitaraina tamin’ny reniny ilay zaza. Nony nentina tany amin’ny dokotera moa ireo zaza dia voaporofo fa efa simba tanteraka vokatry ny fanolanana nahazo azy ireo. Afak’omaly no nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Talatamaty ity tovolahy ity ary nentina tao amin’ny fampanoavana, omaly.

Araka ny fanampim-baovao azonay, dia efa nangalatra vola Ar 200.000 ity tovolahy ity tao amin’ny patiraony teo aloha saingy nifona ary namerina ny vola very ka afaka teny anivon’ny fitsarana. Zao dia nanao ditra mamoafady indray izy. Avy any Vinaninony - Faratsiho moa ity tovolahy ity ary nila ravinahitra no niakarany teto an-drenivohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS