Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 04h09
 

Malagasy

Antoko TIM

Tafapetraka ny rafitra, manomboka ny asa

mercredi 19 mars 2008 |  260 visites  | Naivo kely

Afapo tamin’ny vokatra ny TIM. Toerana maro no lasany. Na dia mbola tsy vokatra ofisialy aza no hita, dia efa manana toky ny antoko Tiako I Madagasikara fa hibata ny amboara maro nandritra ny fifidianana farany teo.
Omaly hariva dia nihaona tetsy Ankorondrano ireo birao politikan’ny TIM, izay nandinika ny vokatry ny latsa-bato nataon’ny Malagasy ny alahady teo. Nandritra io ihany koa ny nisaoran’ny mpitarika ity antoko ity ny vahoaka Malagasy nanefa ampilaminana ny safidiny. Vita iny ny dingana manaraka amin’ny fametrahana ny rafitra voalazan’ny lalàm-panorenana, ary manomboka ny fampandrosoana ho an’ity antoko ity.

Fiaraha-miasa amin’ny vahoaka no tanjona, mba tena hiainga any amin’ny faritra ny asa ho atao. Ny TIM no maro an’isa amin’ireo rafitra isan’ambaratongam-pahefana, ary dia ho tafapetraka haingana ireo tetika hialana amin’ny fahantrana. Saika tazana teny avokoa ireo birao politika nyTIM izay notarihan’ny filohany Ivohasina Razafimahefa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS