Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 06h22
 

Malagasy

Talatamaty

Sinoa voapanga

samedi 12 avril 2008 |  677 visites  | Nivo T. A.

Niakatra fitsarana omaly, tetsy Anosy, ilay raharaha sinoa voarohirohy ho nandratra sy namelaka tehamaina mpiasa iray tao amin’ny orinasany teny Talamataty.

Nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana ilay mpiasa nilaza fa novonoin’ilay sinoa vavy, tamin’ny volana avrily 2005 tany ho any. Naka taratasy fanamarinana avy amin’ny dokotera tao amin’ny Tobim-pitsaboana iray teny Talatamaty moa izy, ary izay no nampiarahany tamin’ny fitoriana.
Notsaraina tao amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka tonga tao avokoa na ilay sinoa na ilay mpiasa nitory na ny vavolombelona roa sy ilay dokotera nanome ny « certificat médical ». Nandà ny fiampangana azy moa ilay sinoa ary nilaza fa olona telo vavy ry zareo no niaraka nobedesin’ny patirao tamin’izay fotoana izany noho ny fahadisoana nataon’izy ireo tao amin’ny toeram-piasana saingy ny iray ihany no nilaza fa nofelahana ny tehamaina ary voa mafy teo amin’ny hatony.

An-daniny, ilay mpitory dia nanamafy fa novonoin’ilay sinoa. Ilay dokotera nanome ny taratasy fanamarinana moa dia nilaza fa ny asany no nataony ary ny zavatra hitany no nosoratany tao amin’ny « certificat médical ».
Amin’ny 9 jiona ho avy izao moa no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS