Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 13h46
 

Malagasy

Fanondranana biby an-tsokosoko

Sazy 2 taona hatramin’ny 10 taona no miandry ilay mpandraharaha

mardi 18 mars 2008 |  384 visites  | Hery A.

Kesika miisa 3 nisy biby naondrana an-tsokosoko no niainga teto Madagasikara, ary sarona tao Afrika atsimo tamin’ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azon’ny minisiteran’ny rano sy ala dia ompiana ao amin’ny valanjavaboahary iraisam-pirenena ao Johanesbourg ireo biby sisa velona tamin’ireto naondrana an-tsokosoko ireto. Tao amin’ny seranam-piaramanidina any an-toerana no nahasaronana ny entana. Kesika miisa 3 no nisy ireo biby, namofona maimbo be ka voatery nosokafana. Biby toy ny tanalahy, androngo, bibilava sy karazany samihafa miisa 1594 no voaondrana tamin’ity, ka ny 700 tamin’ireo sisa no velona. Tamin’ny voalohan’ny volana martsa no efa niainga teto ireo biby ireo, ary tsy voasahan’ny tompony ny fikarakarana sy fanomezana sakafo azy ireo. Araka ny nambaran’ny minisitra Randriarimanana Harisson dia mpandraharaha manana fahazoan-dalana avy amin’ny minisitera no tompon’ireo biby ireo. Efa nanondrana izy tamin’ny faha 19 janoary teo, ary naverina taty an-toerana rehefa tonga tao Johanesbourg, ka ny 13 sisa no velona. Ny taratasy nampiasaina tamin’ity voalohany ity no nisandohana nanondranana ny andiany faharoa. Mitovy tsy misy valaka ny antontan’isa sy ny lanjan’ny entana. Nandray fepetra ny minisitera ka hanohy ny fanadihadiana. Sazy 2 taona hatramin’ny 10 taona no miandry ity mpandraharaha ity, miampy lamandy ar 100 tapitrisa hatramin’ny ar 200 tapitrisa.

Handray fepetra manokana ihany koa ny minisitera, mahakasika ny fanondranana biby sy zava-maniry avy eto Madagasikara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS