Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 20h15
 

Malagasy

Fisondrotry ny vidim-piainana

Samy manao izay saim-pantany...

lundi 14 janvier 2008 |  578 visites  | Hery A.

Tsy misoko mangina intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra eto an-drenivohitra fa dia efa miharihary mihitsy ka tsy misy hisafidianana intsony ny vidin-javatra. Tsy hita intsony ilay fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa.

Ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro mihitsy no niaka-bidy. Anisan’izany aloha ny sakafo vita amin’ny ronono izay tsy hiadian-kevitra fa efa ny manan-katao sisa no mahazaka ny vidiny.

Tamin’ny volana desambra teo dia niakatra hatrany amin’ny ar 6000 ny iray kg amin’ny henakisoa, niakatra toy izany ny vidin’ny akoho vazaha. Vao nigadona indray ny volana janoary 2008 dia nihena hatrany amin’ny 50% any ny lanjan’ny mofo dipaina iray. Iza moa no nifampiera tamin’izany fa dia samy manao izay saim-pantany e ! Etsy andaniny dia manao ny ataony koa ireo mpanao fitaterana satria nisondrotra ny vidin-tsolika. Tampi-dalan-kaleha ny vahoaka madinika satria ny vidim-bary dia efa hiaraha-mahalala ny fahalalahana ka hanao izay fantany ny mpanambaka, ny mpitondra aza moa manao ny ataony koa.

Dia mahagaga ihany ny mbola maharesy lahatra ireo mpamatsy vola amin’izany. Sa kosa ny harinkaren’ny fetsifetsy sy mpanangon-karena no nitsarany azy ?

Ireny mantsy no manana fiara sy tsy ory ara-tsakafo ka azony atao fanoharana akaiky. Ny vahoaka kosa hitoetra ho tohatra fiakarana hatramin’ny farany. Tsy nisy afa-tsy ny fifidianana no nahaizan’ireo mpanao politika nifandray tamin’ny vahoaka fa rehefa tonga eo amin’ny toerany izy dia veloma rahavako fa amin’ny fifidianana manaraka indray mifandray tanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS