Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 23h57
 

Malagasy

Fiainam-bahoaka

Rahoviana indray vao ho faran’ny volana ?

vendredi 1er février 2008 |  599 visites  | Hery A.

Mafy ny nanala iny volana janoary 2008 iny ! Io no tsikaritra nahazo ny mponina manana fivelomana antonontonony amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny hoe lany vola tamin’ny fety fa na nanao tahiry aza dia tsy naharaka satria ny vidin-javatra mihitsy no nisondrotra, indrindra ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, tafakatra ar 350 hatramin’ny ar 400 ny iray kapoaka, ny hena moa dia zara raha hita nandritra iny volana iny izay niakatra hatramin’ny ar 6000 ny iray kilao amin’ny henakisoa . Ny sakafo misy otrik’aina toy ny « fromage, Yaourt » sns... dia ny manan-katao ihany sisa no mahavidy azy ka na eo aza ny fiparitahan’ny ronono velona eto an-drenivohitra dia mba nampakatra ny vidiny koa ry zareo.

Na izany aza dia mba mimenomenona koa ireo mpivarotra lafo entana ireo satria tsy mandeha ny tsena. Ny hany tombony ho azy ireny dia ny fandraisana ny trosa izay nataon’ny mpanjifa nandritra iny volana iny, ary ny volan’ny mpanjifa kosa dia lany nandoavana trosa tamin’iny volana lasa . Araka ny mahazatra ireo mpandray karama isam-bolana dia ny hahatongavan’ny faran’ny volana ihany no nahamaika nanesorana ireo trosa niavosa, saingy misento ihany mieritreritra hoe « Rahoviana indray ny faran’ny volana manaraka » ? Fohy indrindra ity volana febroary ity ka asa raha hahatody na tsia.

Ny mahakivy eto dia ny tsy fahafantaran’ny fitondrana foibe izany fahoriam-bahoaka izany ka hiononany amin’ny fiakaran’ny harin-karena faobe, milaza fa tafita. Manana tahiry amina miliara ny fanjakana, nefa mahantra vahoaka. Efa miverina amin’ny fitsimponana fako indray izao ireo olon-dresy, nefa na ny fako hotsimponina aza toa tsy misy ka ho aiza indray ? Efa lakolosy fanairana anie ireny tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ireny e !

Variana amin’ny fiarovan-tseza ny fanjakana, hany ka ny fanerena ara-politika ireo olom-boatendry any amin’ny faritra no mahavariana azy satria ho avy ny fifidianana ireo fototry ny fiarovan-tseza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS