Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 17 mai 2024
Antananarivo | 03h53
 

Malagasy

Razakarimanana Ferdinand

Potika ny demokrasia

lundi 14 avril 2008 |  695 visites  | Naivo kely

« Omeo sehatra malalaka ny vahoaka ahafahany maneho ny alahelony. Io fihetsiky ingahy Lecacheur midina an-dàlambe io, dia fitondrana ny feon’ny vahoaka leon’ny zava-misy ankehitriny ». Isan’ny fanehoan-kevitry ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand io raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy omaly alahady.

Miantso fifampidinihana haingana ity Jeneraly misotro ronono ity, satria efa an-dohalika ny ranom-bary. Na amin’ny vahoaka io na ihany koa amin’ny mpanao politika satria tsy tokony hitompo teny fatratra ho manana ny marina foana ny olona iray. Miaina ao anatin’ny fahantrana ny vahoaka, nefa toa minia tsy mihaino ny mpitondra fanjakana. Potika ny demokrasia noho ny tsy famelana ny olona haneho hevitra ankalalahana. Hita fa tsy afaka maneho hevitra ankalalahana ny vahoaka. Mankasitraka ny tolona ataon’ingahy Lecacheur ingahy Razakarimanana, saingy tsy mbola fantatra kosa na hiaraka hidina aminy an-dàlambe anio na tsia. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny fanendrena ny PDS ao Nosy-be izay esorina dia apetraka amin’ny toerany indray. Miendrika ho fanosiosena ny miaramila ny natao tamin’ity kolonely ity, hoy ihany Razakarimanana izay PDS teto amin’ny faritanin’Antananarivo teo aloha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS