Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h31
 

Tribune libre

Otrikafo

vendredi 28 janvier 2011

Toa tsy mahalala ny vaovao eto Madagasikara ireo « exportés » (expatriés) ireo. Fa toa faly manaratsy fotsiny.

Ity misy hevitry ny Otrikafo efa navoaka tamin’ny febroary 2009.

Mbola teo amin’ny toerany i Ravalo no namoaka izao hevitra izao izahay.

Rajaonah

Tolo-kevitra vaha olana aroson’ny Otrikafo

1) Tsy mendrika ho filoham-pirenena intsony Ravalomanana manomboka izao : mivaro-tanindrazana @ vahiny, ary mihosin-dran’ny Malagasy ny tanany ankehitriny.

2) Tsy mahatari-tolona mihitsy i Andry TGV : nandefa ny vahoaka hatao sorona teny Ambohitsorohitra, mifampiraharaha miafina @ Ravalomanana, mibirioka @ tsy izy ny lalan’ny tolona dia zary tapi-dalan-kaleha izy.

3) Ireo ankolafin-kery tokony handray andraikitra tsy nahitana na nandroso vaha olana mifanandrify @ izay tadiavin’ny vahoaka ary ilain’ny firenena : ny FFKM tsy to teny intsony, ireo ambara ho olon-kendry tsy manan-kolazaina, ireo fiarahamonim-pirenena samihafa mizarazara samy te ho lohany.

4) Tsy hamaha ny olana ireo nitsoa-ponenana : fa vao mainka aza savorovoro no hateraky ny fahatongavany.

5) Tsy hamaha ny olana ireo antoko pôlitika mitonona ho mpanohitra : tsy itokisan’ny vahoaka, mampisara-bazana ny samy malagasy, efa nitondra ary nampahantra ny vahoaka t@ androny.

6) Tsy ny fitondra-miaramila no hahavaha ny olana eto @ firenena : hita eran-tany fa mazàna no manampy trotraka izany.

7) Tsy ny vondrona iraisam-pirenena (communauté internationale) mihitsy no hahavaha ny olan’ny raharahan’ny Malagasy samy Malagasy eto an-toerana :

Noho izany rehetra izany dia Mikatso tanteraka ny rahaham-pirenena.

Izahay OTRIKAFO dia manolotra izao Vaha olana izao @ Vahoaka Malagasy.

Manambatra haingana dia haingana ny herin’ny tia tanindrazana liam-pivoarana manerana ny Nosy aloha, hahazoana miroso @ ireto Dingana telo ireto :

1 / Vaha olana antomotra ezaka :

Ajoro ny Hery Panavotam-Pirenena izay handamina ny fomba fiasany. Izy io no :

- manavao ny fitondrana ny tolom-bahoaka, satria tsy mahomby ny fitarihan’i Andry TGV,

- manaisotra avy hatrany an-dRavalomanana eo amin’ny fitondrana, satria tsy mendrika izany intsony izy,

- mitantana sy mandamina ny tany sy ny Fanjakana mandritra ny fotoana voafetra,

- manangana andrimasom-pokonolona, hamerenana ny fandriampahalemana amin’ny laoniny, miantoka ny aina ary ny fananan’ny olona,

- manomana ny fifidianana ireo Malagasy tia tanindrazana liam-pivoarana hitondra an’i Madagasikara,

- manangana ny Rafitra vaovao (Projet de société) : ny hevitra fototra @ izany dia :

ampy izay dimam-polo taona nanjakan’ny politika manoha riana ( politique de droite réactionnaire ) manakana ny fampandrosoana an’i madagasikara izay !

tsy maintsy raisin’Ny Malagasy ny familiana ny toe-karena ary ny fihariana amin’ny fibaikoana amam-pitantanana ny harena ary ny vokatra rehetra eto Madagasikara.

2 / Vaha olana fohy ezaka :

- Miroso amin’ny fifidianana samihafa : Ny Lalàna Fototra vaovao ary ireo ho tomponandraikitra vaovao isan’ambaratonga izay hanatanteraka ny fampijoroana ny rafitra vaovao

3 / Vaha olana lavitra ezaka :

Fampijoroana Fanjakana mifehy ny Rafitra mampiasa ny harentsika marobe hiteraka asa izay mivadika ho vola ka hanjary harena indray (Rindran-toe-karena) mba hahafiadana ny ambanilanitra araka izay sahaza azy avy ka hananan’ny taranaka fara mandimby ho avy milamina anaty fiandrianam-pirenena.

AINA ity hoy i Rainimanonja, tonga ny fotoana tokony handraisan’ny tia tanindrazana ny fitondrana, koa :

Miantso ny tia tanindrazana liam-pivoarana rehetra (progressistes) ny OTRIKAFO

ho tonga ao Ampatana, 6, lalana Paul Rafiringa, Andravoahangy Ambony hifanome tanana aminy @ fikaonan-doha hitadiavana vaha olana maika sy maharitra hialana amin’izao fandalovan’ny firenena fotoan-tsarotra izao, amin’ny Alakamisy 26 febroary 2009, amin’ny 10 ora maraina.

Otrikafo

4 commentaires

Vos commentaires

  • 28 janvier 2011 à 11:47 | hafatra (#1895)

    <>

    Tena mba loza tokoa ny fanombohan’ny otrikafo ny lahatsorany . Afangarony daholo ny akoho amam-borona !

    Asa na jamban’ny fanaratsiana ny antsoiny hoe « exportés » na ny masony no misy kilema fa tsy hitan’ity fikambanana sadasada ity mihitsy ny tena fototr’aretina manjo ny malagasy .

    Ny seraseran’ny malagasy rehetra amin’ny lalàna mihitsy no ilaina fivoarana . Rehefa tonga saina isika indray andro any fa antsika izany lalàna izany , natao hiaro antsika ,ary fitaovana entintsika mifandray sy mifanaja dia handroso isika.

    • 28 janvier 2011 à 16:13 | mahery (#2468) répond à hafatra

      Mahatsikaiky ahy ny mamaky ny lahatsoratrao mr Rajaonah :

      Efa ho in-4 ny anaran-dRavalomanana no averimberinao sy ankahalainao, tsy tianao koa ny hiverenan’ireo avy any ivelany ;raha azoko tsara, tsy tianao ny hamahana ity crise ity haingana fa mbola mitady hanangantsangana seza vaovao ho anareo mpitolona t@ nandavoana ny tombontsoan’ny vahoaka indray ianao.

      Tsy azo ho adinoina koa fa "ianareo’ dia niaraka tsara nandrodana ny fandrosoana efa natao isam-mparitra, niara-nandoro dia niara-paly dia nisy tsy nahazo seza, dia nifanome tsiny...dia mody nanao TSIA nefa ENY no tanjona mba tsy hampisalasala ny mpanara-maso(toa an-draharinaivo sy richard baomba ihany e !).

      Aza hodiana tsy hita ny sonia efa vita tany MAPUTO, tsy misy vahaolana afa-tsy ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ihany.Ekena fa tsy lanin’ny vavoninareo Ratsiraka,Zafy,Ravalomanana ;nefa hatreto aloha dia mbola ireo no andrandrain’ny besinimaro @ famahana ny crise(ara-politika sy teknika).

      Koa eto dia tiako ny manamarika fa i Gasikara tsy anareo mpitolona teny @ 13mai ihany, koa nahoana no ianareo ihany no hanangana sehatra ho anareo manokana,tadidio fa tetezamita ity fa tsy mbola nisy fifidianana teto nilaza fa anareo ny fitondrana.Tsotra ihany, avelao hitsangana ny andrim-panjakana tetezamita tena izy dia manolora kandida raha misy, avy eo raha lany ianareo na ny mitovy hevitra aminareo dia roahy teto indray izay tsy metimety aminareo...RAHA HO LANY NY EKIPANAREO.

      AOKA IZAY NY FAMPANDRIANA ADRISA, AKAIKY NY VAHAOLANA.

  • 28 janvier 2011 à 12:14 | che taranaka (#99)

    Atoa Rajaonah,

    Ny momban’ny feb 2009 dia efa voalazan’i TGV fa olana misy eo aminy sy Ra8 (Injet-ra8)

    Efa voalazan’i Monja Roindefo fa diso fanantenana ny TOLOMBAHOAKA satria nataon’i TGV fitaovana ary ny volabe 800 milles € izay vola avy amin’ireo mpadrarahara samihafy sy la France izay nomena ny miaramila sy ny gros bras dia manamporofo fa tsy acte de bienfaisance hoan’ny VAHOAKA akory no TANJONA fa ny fiarovana ny tombotsoan’ireo izay nanome ny volabe.

    Noho izany dia mazava ho azy fa MITOHY NY TOLONA ho FANAFAHANA ny VAHOAKA sy ny HAMPANDROSOANA ny FIRENENNA izay nivelona ary mbola mivelona amin’ny 1$ isan’olona sy isanandro.

    Iza no RESPONSABLESn’ ity FAHORIAN’NY VAHOAKA ity ?

    Manana ny HEVITRO aho fa mba tiako raha ianao mihitsy no mitanisa ireo IKOTOFETSY manabotry ny vahoaka ireo.

    Tsara ny mi-identifier ny ADVERSAIRES

    Tsara ny mi-identifier ny SYSTEMES sy ny POLITIQUES izay mangeja sy mampahory antsika.

    Tsy slogans fotsiny no lazaina fa mi-déterminer exactement ireo BLOCAGES sy SOURCES de nos ENNUIS.Eo mantsy no ahitana na mahatsinjo marina ny OLANA ianareo ka éventuellement mety hafaka hanolotra PROGRAMME POLITIQUE DE GOUVERNANCE avec des OBJECTIFS et des CHIFFRES et des FINANCEMENTS izay hantenaina fa HAHAVAHY izao CRISE izao sy indridra HAMPANDROSO marina ny FIRENENA .

    TSY POLITIQUE POLITICIENNEn’ireo MPITADY SEZA no mbola haroso fa EZAKA MARINA SY MATOTRA .

    Manana HARENA isika koa nahoana no tsy afaka mananararaotra izany mba entina HAMPIVOTRA ny POUVOIR D’ACHAT sy ny STANDING de VIE ny MALAGASY ????

    GESTION OPAQUE de GOUVERNANCE sy GESTION ILLEGALE no ianan’ny FIRENENA ankehitriny.

    Tsy misy programme hentitra sy mazava ny FITONDRANA ny raharaha_pirenena .

    MANANARAOTRA IREO TSIVALAHARA(oligarque deba-ra8 sy ireto putschiste) efa zatra nambotry ny TANINDRAZANA ;iray MPITSIKOBAKOBA amin’ireo VAHINY sy ny BM,ny FMI.....

  • 28 janvier 2011 à 17:34 | kajaha (#4730)

    Tsy misy hevitra ratsy fa samy Malagasy, mety ho tsara ny hevitry ny otrik’afo fa iza no hanaiky hiaraka aminy

    Fa raha rôle izy dia ampiharo, alaivo ny fitondrana raha mahay fa raha resabe sy tabataba ety ivelany fotsiny tsy mahazaka na place de 13 mai dia mampikatso firenena fotsiny

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS