Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 30 avril 2024
Antananarivo | 20h00
 

Malagasy

Lozam-pifamoivoizana Lalam-pirenena faha-7

Olona iray sisa velona tao anaty « minibus »

vendredi 4 avril 2008 |  1213 visites  | Princia R.
Isan’ireo naratra tamin’ny loza.

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho tao Antsentsindranontaolo Ambohimandroso ny marainan’ny alakamisy 3 aprily tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Kamiao lehibe iray mitondra zava-pisotro mahamamo avy aty Antsirabe hiazo ny renivohitra no nifandona tamina « minibus » avy amin’ny koperativa FIFITSYmitondra mpiasan’na « chantier » avy any Tsiroanomandidy andeha hiasa hanao sekoly any Vangaindrano vohipeno. Potika tsy nisy azo noraisina ilay « minibus ». 15 ny olona tao anatiny miaraka tamin’ny mpamily. Olona iray sisa no mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly Ambatolampy, ny sisa kosa dia maty avokoa. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia ora 4 no namoahana ny faty tao amin’ilay fiara. Ho an’ilay Kamiao kosa dia naratra ilay mpamily ka mandray ny fitsaboana sahaza azy ao Ambatolampy.

Tonga nijery mivantana ny zava-misy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta niaraka amin’ny solotenan’ny minisitra vitsivitsy, ary ny avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra notarihin’ny Lehiben’ny Faritra, nankahery ny fianakavian’ny maty. Nandray an-tànana ny fikarakarana ny razana ny fitondram-panjakana ary nanome lelavola 2 tapitrisa Ar.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS