Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Malagasy

Fivoriana an-tampony aty Afrika

Nomen’ny AKFM tsiny ny filoha

mardi 14 octobre 2008 |  531 visites  | Naivo kely

« Tsy nisy olona vonona hanakana io fivoriana io, fa ny fanemorana azy no tokony ho atao ». Io no nambaran’ingahy Erick Rakotomanga, sekretera Jeneralin’ny antoko AKFM. Ny antony, dia mbola miaina ao anatin’ny fahasahiranana i Madagasikara. Gaga ity antoko ity, raha nanambara ny filoha fa nohamafisina ny resaka fandriam-pahalemana, noho ny fiomanana amin’io fivoriana an-tampony aty Afrika amin’ny volana Jolay 2009 io. Mitovy fomba fijery amin’itompokolahy Herizo Razafimahaleo izahay momba ny fomba fijery io fivoriana io. Ny antony dia na ireo trano fandraisam-bahiny sy ny fotodrafitr’asa isan-karazany aza, dia vola be no lany, nefa io fivoriana io fotsiny no hanaovana izany. Toa endrika fisehoana ivelany fotsiny izao mitranga izao hoy ny AKFM ka tsy ho gaga isika raha hisy hiteny fa didy jadona fotsiny no mitranga eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS