Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 21h12
 

Malagasy

Fahatapahan-drano teto an-drenivohitra

Nisavoritaka ny mponina

mardi 8 janvier 2008 |  493 visites  | Hery A.

Resa-be eto an-drenivohitra ny fanapahana jiro sy rano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra ka niteraka sahotaka omaly vao maraim-be teo amin’ireo tokantrano maromaro mpampiasa ny paompy an-dàlam-be.

Nifandom-baravarana nifampilaza amin’ny tokony hanangonana rano fisotro satria ho tapaka hono ny rano sy jiro. Nifanaretsaka ireo mpikarama mantsaka nitandahatra tamin’ny paompy, voatery nantsaka aloha ny ankizy vao namonjy sekoly. Hatramin’ny omaly hariva anefa dia toa mbola nandeha ihany ny rano, raha ny eny amin’ny faritra Anosibe iny, izay nisehoan’ny tantara. Vetivety teo dia renim-pianakaviana maromaro indray no nimenomenona teo amin’ny arabe fa tsy nahita saribao ho vidiana. Inona ary ity ? hoy ny sasany.

Asa aloha na tsaho niniana naely izy ity na fihetseham-pon’ny taitaitra fotsiny fa dia niteraka sahotaka madinidinika teo amin’ny fiaraha-monina. Ao ny tsy mahara-baovao, nefa ao koa ny maharaka fa tsy mahazo resaka. Efa vinavinan’ny maro ihany ny tranga amin’izao fotoana izao. Raha i TGV no lany eo dia toy izao sy toy izao no zavatra hiseho... Tsy maintsy ho sahirana izy aloha sns...Ka io tokoa fa manomboka miseho ny vinavina, nefa inoana fa efa nivonona ny amin’izany ny ben’ny tanàna. Efa nanazava ny olana moa ny ben’ny tanàna saingy andrasan’ny vahoaka kosa izay vahaolana hialana amin’ity fitaintainana isan’andro ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS