Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

Tetezana mitsingevana

Ninian’ny sasany nopotehana

mardi 25 mars 2008 |  445 visites  | Naivo kely

Teraka indray ny fanararaotana fa tonga ny fety. Tany Toamasina ny sabotsy lasa teo no nahitana izany teo amin’ny faritra mihazo any Ambodiatafana.

Raha mbola nizotra antsakany sy andavany ny fandehanana ny tetezana mitsingevana io maraina ny Sabotsy, dia potika tampoka izany ny antoandro.

Vokany dia niakatra avo telo heny ny vola nalaina tamin’ireo fiara mandalo eo ambonin’io tetezana io. Ny fiara vaventy sy ny fiara madinika dia saika tratran’io avokoa. Ny miampita lakana ihany koa dia nahitana fiakarany avokoa, satria tsy nisy latsaky ny telo alina ny olona iray miaraka amin’ny entana. Ny jiro tany amin’io faritra io ihany koa dia tapaka, ka nampitaraina irao vahoaka mba nanantena ny hiaina tao anatin’ny Paska milay.

Na teo aza anefa izany dia tsy nahasakana ny mponina tao Toamasina nilanonana tamin’ny fety isan-karazany, ary samy afa-po ny tsirairay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS