Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 12h09
 

Malagasy

BNGRC

Nanome vola ar 100 tapitrisa ny « Groupe Sipromad »

mardi 18 mars 2008 |  642 visites  | Hery A.

Manao ranolava ny fanaterana fanampiana ho an’ny traboina etsy amin’ny biraon’ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Omaly hariva no tonga nanatitra ny anjara birikiny ny « groupe SIPROMAD ». Vola mitentina ar 100 tapitrisa no natolony tamin’izany ka voatsinjara avy amin’ny « Fondation AKBARALY » ny ar 75 tapitrisa, ary nampian’ny Sipromad ar 25 tapitrisa. Ho an’ny traboina vokatry ny rivo-doza nisesisesy ireo fanampiana. Ankoatry ny fiahiana ny traboinan’ny loza voajanahary, dia ny « Fondation AKBARALY » no mpiahy eo amin’ny lafiny fambolena, fahasalamana, fanabeazana, fanatanjehantena sy ny sisa. Nahatsapa ny mpanolotra fanomezana fa betsaka kokoa ny fahavoazana amin’ny faritra samihafa tamin’ity farany ity. Tsy hitsahatra hanampy toyizay efa nataony hatramin’izay ity fikambanana ity. Nandray ny fanomezana kosa ny kolonely Jean Rakotomalala, sekretera nasionaly miandraikitra ny BNGRC.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS