Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h26
 

Malagasy

Mariboninahitra

Nahatsiaro ny velona ny ministera

lundi 31 mars 2008 |  356 visites  | Naivo kely

Maty vao Ramalala. Tsy izay intsony no tanjona eo amin’ny sehatry ny zava-kanto, fa tsy maintsy omena voninahitra ny velona. Mpanakanto 23 mianadahy no notolorana mariboninahitra tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahantena ny zoma lasa teo. Isan’ny nosalorana izany voninahitra izany i Salomon ao amin’ny « Kintana telo », nahazo ny laharam-boninahitry ny « Grand Officier », sy Lisiarimanana mpanao majika.

Ny mpaka sary sy ny mpitendry ary ny mpihira no nahazo izao fanomezana izao, ary tsy diso anjara ny mpanao hatsikana toa an’i Dadavy nahazo ny mariboninahitra « chevalier ».

I Bebe Ange kosa dia ny sehatry ny hira gasy no nahafantarana azy. 110 taona vao mba nahazo ny anjarany. Ny ministra Patrick Ramiaramanana no nampisalotra ireto mari-boninahitra ireto, izay nanipika fa omena sehatra ny velona fa tsy sanatria maty vao Ramalala.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS