Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 16h01
 

Malagasy

Fivorian’ny mpanohitra

Mitodika any amin-dRajemison ny maro

mardi 1er avril 2008 |  882 visites  | Naivo kely

Tsy maintsy tratra ny tanjona. Io ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin’ny fivorian’ny mpanohitra farany teo. Ny rafitra tetezamita no tian’izy ireo hajoro. Anio dia fantatra fa mbola hitohy ny fihaonana, ary miha-henjana ny fitakiana. Fantatra fa ny antoko tsirairay izay mivondrona ao amin’ny fanoherana, dia hamoaka fanambarana tsirairay, ary hisy ny atambatra avy eo ny fitakiana itambaram-be. Heno ihany koa fa misy mangataka an’ingahy Rajemison Rakotomaharo hitarika io rafitra io. Mpikambana ao amin’ny Arema izay loholona ankehitriny no maniry izany. Ny fijery io fangatahana io, dia andro vitsy sisa, dia hifarana ny fe-potoana hiasan’ireto loholona ireto. Ingahy Rajemison, izay nahay nifampitantana tamin’ny vondron-kery samy hafa ve no mahatonga ny fanirian’ny hafa toy izao ? Ho hita eo izany, fa ny tsy azo lavina dia olon’ny TIM izy, ary manaja ny fitsipiky ny antoko.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives