Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 14h10
 

Malagasy

Lycée privé ACEEM

Mandalina ny tantaran’i Jaques Rabemananjara ny mpianatra

jeudi 17 avril 2008 |  558 visites  | Hery A.

Voafidin’ny minisiteran’ny kolotsaina hanatanterahana fampirantiana ny tantaran’atoa Rabemananjara Jaques ny lycée tsy miankina ACEEM etsy Ankadivato, ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina teny Ankadivato izany. Ny delegen’ny sampan-draharaha misahana ny taozavatra sy kolotsina ao amin’ny minisitera, atoa Julien Rakotonaivo no tonga teny an-toerana ka nanome ny toromarika sy ny antony nanaovana ity hetsika ity. Mpianatra miisa 450 ao amin’ity lyscée ity no kendrena hahafantatra ny tantaran’i Jaques Rabemananjara.

Olo-malaza niaina nanomboka tamin’ny 1913, hatramin’ny taona 2005 ny lehilahy. Tia tanindrazana nafana fo, solombavambahoaka niaraka tamin’i Ravoahangy sy Raseta. Minisitra tamin’ny andron’ny repoblika voalohany. Misongadina amin’ny fampirantiana koa anefa ny maha mpanoratra sy mpamorona tononkalo azy, izay maneho fitiava-tanindrazana hatrany. Anisan’ny miranty ao amin’ity lycée ity ny sangan’asany sasany toy ireo tononkalo mahakasika ny « lamba », ny fitantarany ny nosy mangabe, toerana niaviany, ary ny ampahan’ny fiainana tany Frantsa.

Hifarana amin’ny zoma ity fampirantiana ity, ary hisy fifaninanana mahakasika an’io atsy ho atsy. Sekoly miisa 3 eto an-drenivohitra mantsy no voafantina hanao ity hetsika ity ka ankoatry ny ACEEM, sekoly tsy miankina, dia misy sekolim-panjakana iray sy sekolim-pinoana iray.

Atoa Ratrema William, mpanorina ny vondrona ACEEM kosa no nanambara fa tsy vao izao ny ACEEM no mifantoka amin’ny kolotsaina malagasy. Maro ireo mpanoratra sy mpandalina tantara miara-miasa amin’ny vondrona ACEEM.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024