Misoko mangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tany amin’ny faritra avaratry ny nosy ny faritra atsimo no niaingan’izy ireo ny herinandro teo. Mpanohitra saika miray feo ao anatin’ny CRN avokoa ireto mitetity faritra ireto.
Ny rafitra tetezamita hatrany no ventesina amin’izany, ary raha ny firaisam-po tamin’ny hetsiky ny Monima farany teo no jerena, dia hita fa manararaotra izay sehatra azony hitenenana ireto mpanohitra ireto. Hevitra maro no tsinjon’ny mpitazana amin’izany, dia ny fahitana fa mety ho takona tanteraka ny mpanohitra indray ireto loholona amperinasa ireto raha vao tsy miteny. Ny rafitra tetezamita mba ahafahan’ny tsirairay mizara seza no hany vaha-olana. Ny sehatry ny fifidianana efa tsy ho azo antoka intsony ny ahalany ny ankamaroan’ny sasany ao, ka dia mila mitady rafitra hafa apetraka eto mba ahamora ny andraikitra hifampizarana.