Voaantso tetsy amin’ny tobin’ny zandary Fiadanana i Mamy Jo ny alarobia lasa teo. Tsy niatrika ny fian tsoana azy nefa ity farany satria tsy ny anarany manontolo no hita tao anatin’io fiantsoan’ny zandary etsy Fiadanana io. Momba ny fanetsiketsehana ny mpianatra izay niseho andro vitsy lasa no votoatin’ny fiantsoana.
Mamy Jo dia filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony antsoina hoe JERM « Jeunes Etudiants de Madagascar ». « Olona mahalala lalàna aho ka tsy hanaiky ny fandrahonana atao ahy », hoy ity mpitarika mpianatra eny Ankatso ity. « Ho tohizako ny fitakianay mpianatra, dia ny resaka vatsim-pianarana, sy ny fanomezana trano ho an’ny mpianatra izany. Heloka ve ny fitakiana tahaka izany ? » Manoloana izany fiantsoan’ny mpitandro ny filaminana ity mpianatra ity, dia nanao fanambarana ny solontenan’ny mpianatra any amin’ny faritany, izay manameloka ity fiantsoana tampoka an’i Mamy Jo ity. « Ny fanjakana tokony handinika tsara ny olan’ny mpianatra fa tsy hambara ho mpanakorontana lava izahay. Tsy andositra aho fa miandry izay mpitandron’ny filaminana hisambotra ahy », hoy ny filohan’ny JERM.