Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Malagasy

Anosibe

Manamaimbo tanàna ny trondro maloto

mardi 1er juillet 2008 |  625 visites  | Hery A.

Lanaky ny asa nandritra sy taorian’ny fety ny mpanadio ny tanànan’Antananarivo ka araraotin’ny sasany ny tsy fanarahan-dalàna sy fampihinanana maloto ny vahoaka. Mirongatra indray ny fivarotana trondro maloto amin’izao fotoana izao. Ny eny amoron-dalana aloha no tena ahitàna azy, toy ny etsy Anosibe, manamorona ny lalam-baovao ho any Namontana sy Soanierana iny. Taorian’ny fety dia nidofaka ny fofo-trondro maloto, nirongatra ny lalimanga. Samy manaporofo ny maha trondro maloto azy ny fahaveloman’ny trondro. Tsy menatra akory ireo mpivarotra milaza fa trondro avy any Itasy. Trondro vao tonga eo amin’ny maraina anefa dia efa mamofona na velona aza. Tsy ela moa ireo trondro dia maty ary vao mainka tsy laitra iainana ny fofona. Ny mahagaga dia misy mividy ny trondro. Mora tokoa ny vidiny satria Ar. 3000 ny 1 kg na latsak’izany, mbola miady varotra. Arak’izany dia tsy isalasalàna ny maha trondron’Anosy sy Masay azy. Manamarina izany tokoa ny fisian’ireo mpaka trondro eny amin’ny ranon’i Masay. Tsy matahotra izy ireo satria toa hoe nomena alalana. Siosion-dresaka no milaza fa atao sakafon’ny voay hono ny trondro eo. Mety ho marina izany, kanefa tsy ferana ny ivoahan’ny trondro, na hanararaotan’ny mpaka trondro hafa. Tsy maharaka izany angamba ny tompon’andraikitra, na mahalala ihany fa mbola lanaky ny asa araka ny voalaza etsy ambony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS