Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Malagasy

Mpivarotra amoron-dàlana

La Réunion kely no vahaolana

mardi 20 mai 2008 |  639 visites  | Hery A.

Miha madio ny sisin-dàlan’Antananarivo, indrindra ny ao ampovoan-tanàna ao. Nandritra ny herinandro teo ho eo izay no nahafoana ny mpivarotra amoron-dàlana teny Andohan’Analakely sy Ambohijatovo iny. Nesorina ihany koa ireo mpivarotra tavoahangy ao ambadiky ny « pavillon » Analakely, saingy toa efa niverina
tsikelikely indray izy izao.

  • Tsy lasa lavitra

Tsy miala lavitra anefa ireo mpivarotra fa milanjalanja ny entany eny, ka raha vao tsy mahatazana mpitandro filaminana na polisy kaominaly dia avelatra an-tsokosoko eo ny entana. Dia indreny fa mitombo tsikelikely, ka mandram-
paharivan’ny andro dia feno hatreny ampovoan’ny arabe. Somary namonjy ny sisin-dalana eny amin’ny
« petite vitesse » eny ny ankamaroan’ireo mpivarotra. Misy hatrany ny fifanenjehana saingy mahalana, hany ka alaim-panahy hiandry eo ireo mpivarotra.

  • Velona indray i La Réunion kely

Feno mpivarotra indray eny amin’ny sisin-dranon’Andriantany, amin’ny làlam-by eny Anosibe sy Ampefiloha iny. Tsikaritra aloha fa na eo aza ireo entana notsimponina teny amin’ny fako, dia betsaka ireo entana vaovao. Ireo mpivarotra amoron-
dàlana voaroaka teny Analakely ireo !

Nampiverina ny anarana
« La Réunion kely » ity fivoarana ity. Hita eo daholo ny karazan’entana rehetra, na tsara na ratsy, na halatra ihany koa aza...

Miantraika any amin’ireo mpivarotra matihanina anefa ny fahaveloman’ity tsena tsy andoavana hetra ity. Manginy fotsiny ny loto sy ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS