Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 03h11
 

Malagasy

Fitantanana ny renivohitra

Ho voasazy ve i Andry TGV ?

vendredi 28 mars 2008 |  2155 visites  | Naivo kely

Henjana ny raharaha eto an-drenivohitra. « Tsy handefitra manana ny rariny aho », hoy i Andry Rajoelina, mpitarika ny TGV, manoloana ny fanendrena sefom-pokontany ho ataon’ny « Préfet de Police ».

« Tsy afaka mibaiko ireto sefom-pokontany ireto intsony aho, satria olon’antoko izy ireo, ary fantatra fa nanohana kandida nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Misy vola Ar 400.000 miditra amin’ny fokontany iray, nefa tsy misy miditra any amin’ny kaominina io.
Maika ny fampandrosoana nefa izao no zava-misy eto. Tsy maintsy hajoro ny solontenan’ny ben’ny tanàna isam-pokontany.
Tsy tia tanindrazana ireo minia manakana ny asa tokony holovain’ny taranaka fara-mandimby eto », hoy i Andry Rajoelina ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra. Tao amin’ny fahita lavitra iray no nanambarany io ny alarobia teo.
Niaiky ity ben’ny tanàna ity fa misy ny fingana atao aminy, mba tsy ahavitany asa ho an’ity renivohitra ity. Na eo aza izany dia hiezaka hamita ireo fampanantenana nataony hatramin’izay ingahy Andry TGV.

Ny fitaovana fanalàna fako dia ho avy tsy ho ela, ary hajoro ihany koa ny resaka sakafo amidy mora toy ny « tsaky popy » tamin’ny andron-dRadidy.

Raha hiverenana ity fanendrena « sefom-pokontany BIS » ity, dia efa naneho ny heviny manoloana io ny tompon’andraikim-panjakana, izay nampitandrina, fa fandikana lalàna ny fanaovana izany. Raha minia mikipy ny ben’ny tanàna, ho voasazy ve i Andry TGV ? Io sazy io no tsy fantatra fa mety hisy PDS vaovao indray angaha ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024