Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 05h20
 

Malagasy

Fahasalaman’ny mpikarama

« Hizaha dokotera any amin’ny OSTIE »

vendredi 28 mars 2008 |  1906 visites  | RAW
Dr. Barabara Rakotoniaina Rakotonarivo.

« Ho any amin’ny OSTIE hizaha dokotera ». Io no ambentintenin’ny mpiasa sy ny ankohonany raha tsy mpiasam-panjakana. Toa milaza fa tsy misy misahana ny fahasalaman’ny mpikarama hafa tsy io OSTIE io. Fa inona marina ity OSTIE ity ? Manazava ny Dr. Barabara Rakotoniaina Rakotonarivo, lehiben’ny Sampandraharaha « Kalitao-Serasera » ao amin’ny OSTIE.

Madagascar Tribune : Misy ihany ireo sampandraharaha mikarakara ny fahasalaman’ny mpikarama fa maninona no raikitampisaka amin’ny mpiasa ny OSTIE ?

- Dr. Barabara Rakotoniaina RAKOTONARIVO : 50 taona izao ny OSTIE ary izy no zokiny amin’ireo sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny mpikarama. Raha ny fahitako azy dia tsy nitsahatra nitazona ny lazany izy matoa tsy afaka am-bavan’ny mpikarama sy ny ankohonany. 2.700 izao ny orinasa sy mpampiasa ary 150.000 ny mpiasa mpikambana, miampy ireo vady aman-janany izay manan-jo ahazo fikarakarana ara-pahasalamana avy amin’ny OSTIE. Tsy nitsahatra nanatsara hatrany araka ny kalitao nofaritany ny OSTIE.

Zo ahoana moa izany ananan’ny mpikarama izany ?

- Lalàna mifehy ny asa no mandidy ny mpampiasa hanao fanambarana sy hitsinjo ary hikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa izay hampiasainy. Mandoa ampahany, sahala amin’ny 5%-ny karaman’ny mpiasa ny mpampiasa ary ny mpikarama kosa dia mandoa 1% avy amin’ny karamany any amin’ny OSTIE. Ireo fandraisan’anjara ireo dia midika fikarakarana ara-pahasalamana, fitsaboana ary fanafody maimaimpoana avy amin’ny OSTIE.

Inona tokoa ireo tombontsoa azon’ny mpikarama sy ny ankohonany ?

- Misy karazany roa lehibe ireo tombontsoa : ny fitsaboana ara-bakiteny sy ny fiarovana. Ao amin’ny fitsaboana dia misy ny fizahana marary sy ny fizarana fanafody maimaimpoana. Misy karazana fanafody atao hoe « générique » efa mihoatra ny 400 ato amin’ny OSTIE. Misy fitsaboana nify sy ati-vava ato. Ao koa ireo fitsaboana manokana : areti-po, maso, sofina sy tenda, reny sy ny zaza, ny làlan-drà, ary farany ny « radio » sy « échographie », izany hoe fitsirihana.

Ny karazana fitsaboana faharoa dia ny fiarovana, izay mikasika ny mpiasa mivantana, ny tontolon’ny asa sy ny toeram-piasana mihitsy. Ao ny fisorohana ny aretina azo eo am-perinasa. Ny fizaham-pahasalaman’ny mpiasa raha vao raisina miasa izy. Ao ihany koa ny fizahana ny toe-pahasalaman’ny mpiasa isan-taona sy ny maha ara-pahasalamana ny toeram-piasana. Tsy adino koa ny « planning familial ».

Mahasehaka ireo mpikarama sy ireo toeram-piasana marobe ireo ve ny OSTIE ?

- Ny OSTIE moa dia voafaritra eto Antananarivo ihany. Ary ny ezaka dia ny manatona ny toeram-piasana sy ny mpikarama. Ankehitriny dia 8 (valo) ireo toby OSTIE : Ivato, Ilafy, Mahalavolona, Tanjombato, Ambohimanarina, Anosibe, Ampasamadinika ary Behoririka izay misy ny foibe. Ankoatra ireo dia misy masoivoho na « antenne » 18 any amin’ny faritra afaka haba sy any anatin’ny orinasa.

Ny mpiasan’ny OSTIE koa ve mitovy amin’ny mpikarama hafa ?

- Mahazo fitsaboana maimaimpoana koa izy ireo. 520 no isany izao, miampy ireo 20 hafa tsy mbola mpiasa raikitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives