- M.Ravalomanana sy ireo atleta malagasy avy tany Beijing.
Nampihetsika ny hambom-pon’ny filoha Ravalomanana ny lalao atao any Beijing. Malagasy vitsy no nandray anjara tamin’izany, ary raraka hatreto ny telo tamin’ireo enina nandray anjara. Niaiky ny filoha fa avo lenta tokoa ity lalao ity, ary zava-dehibe ho antsika ny mandray lesona tsara tamin’izany.
Roa sosona ny zavatra vita tany, ka isan’io ny nahazoan’ny filoha ilay mari-boninahitra indray. Tsapan’ny vahiny ny ezaka vita, ary porofon’io ny nandraisan’ny filoha Sinoa voalohany ahy, hoy ny filoha Ravalomanana. Ho ataontsika laharam-pahamehana ny resaka fanatanjahantena, hoy ihany ny filoha tamin’ny fahatongavany avy any Beijing omaly teny Ivato. Tsy tokony ho kivy amin’ny ezaka vitan’ny tanora tany isika, ary nangataka ny hanampian’ireo manam-pahaizana vahiny ny tanora Malagasy.
Naneho ny heviny momba ny fanakanana ny hetsiky ny mpanohitra ny alatsinainy teo ny filoha. Tsy tokony ho potehina amin’izany ankizy. Tsy tokony ho roritina iny resaka iny, fa aleo aloha handeha, dia ho hita eo na mandeha na tsia. Ny fampianarana tsy mbola mandeha koa iny ve no hanaovana kaonferansa hamoriam-bahoaka ?
Momba ny sinoda lehibe atao any Mahajanga manomboka anio, dia nolazain’ny filoha fa tsy hanohana kandida izay hitarika ny FJKM ny tenany. « Resaka finoana io, ka ilaina milamina sy entina am-pinoana. Efa tsy nanohana aho tany Ambatondrazaka. Niteraka resabe iny, nefa ny tenako tsy tao tamin’iny raha vao nanomboka kely ilay fivoriana. Mila finoana io, ary mila matanjaka ».