Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 19 mai 2024
Antananarivo | 22h04
 

Malagasy

Tsena Anosibe

Fivarotana 5 indray no may

mardi 29 janvier 2008 |  390 visites  | Hery A.

Trano fivarotana miisa 5 no may tao anatin’ny tsenan’Anosibe tamin’ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 8 ora teo ho eo ka nahamaizana ireo entana rehetra tamin’ireo fivarotana ireo. Araka ny fitantaran’AtoaRandriamparany Jean Dieudonné tompon’ny fivarotana trondromaina, niharan’ny fahavoazana dia fotoana tsy fisian’ny mpivarotra misokatra intsony izany amin’ny 8 ora alina izany, ka efa namono ny afo ny « pompier » vao nantsoina any an-tranony eny akaikin’ny làlamby ry zareo, ary entana efa kilan’ny afo no novantanina. Torak’izany koa ireo tompon’ny fivarotana kojakoja momba ny fanamboarana trano. Teo amin’ny fakana am-bavany natao ireto mpivarotra sy ireo mpiambina tsena no nanambaran’ireto mpiambina fa nifanandrify tamin’ny fihodinana nataony tao anatin’ny tsena ny fisehoan’ny loza ka nandrenesan’izy ireo zavatra nipoaka tao amin’ity fivarotana kojakoja fanamboarana trano, ka nony nanatona ry zareo dia afo no hitany. Mandrampahatongan’ny mpamonjy voina dia nanavotra arak’izay ho afany ry zalahy, saingy tsy nisy vokany.

Nohamafisin’ity mpivarotra trondro maina anefa fa tsy misy mampiasa afo ireo mpivarotra na iray aza ary tsy azony veroka ny anton’ny nisian’ny afo. Ho an’ity farany ity dia mitotaly Ar. 16 tapitrisa ireo entana may, niampy lelavola Ar. 1,4 tapitrisa.

Tsy misy antoka

Ny kaominina no tompon’antoka amin’ny tsena saingy manaporofo ny tsy fiantohany ny loza tahak’izao ny tsy nahavitan’ny ampahan’ny tsena izay may efa fotoana elaela ihany izay. Hamboarina haingana io hoy ny tompon’andraikitra teo aloha ary nomena vola Ar. 5 tapitrisa ireo tompon’ny entana may tamin’izany izay fanampiana ihany fa tsy voarakitry ny lalàna. Koa arak’izany dia ny fanamboarana ny tsena haingana no takian’ireo mpivarotra, ary miandry izay mba fanampian’ny malala-tanana. Ny olana goavana sedrain’ireo mpivarotra traboina dia ny fandoavana ny vidin’ireo entana amin’ny mpambongady, sy ny fiandrasana izay mety ho vahaolana. Nampahatsiahy ny fampanantenana natao azy koa moa ireo may trano voalaza etsy ambony izay tsy nisy niraharaha hatramin’izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS