Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 11 mai 2024
Antananarivo | 11h53
 

Malagasy

« Tanjozotran’ny vehivavy ho an’ny fandriampahalemana » (Caravane des femmes pour la paix)

« Fanafoanana ny herisetra eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy »

mardi 18 mars 2008 |  847 visites 
Ramatoa Razafindralambo Simone.

Notontosaina tao amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Tanjozotran’ny vehivavy ho an’ny fandriampahalemana » « Caravane des Femmes pour la Paix » Rehefa avy nitety firenena maro ary nandalo tao Mozambique ny hetsika dia anjaran’i Madagasikara indray nanomboka omaly ka haharitra folo andro ny mandray ny Fanilo. Mandritra izay folo andro izay dia hetsika maro no hotanterahina eto Madagasikara ary eto Antananarivo sy Tsiroanomandidy raha ny marimarina kokoa. Fiangonana sy vondrona ara-piangonana maro manerantany izay mitambatra ao anatin’ny fikambanana CEVAA izay misy ny fiangonana FJKM no mikarakara ity « Tanjozotran’ny Vehivavy ho amin’ny Fandriampahalemana » ity. Ho an’i Madagasikara dia ny « Fanafoanana ny herisetra eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy » no loha-hevitra vohizina mandritra ny hetsika rehetra. Fotoam-pivavahana nandraisan’ireo vondrom-behivavy ao anatin’ny fiangonana samihafa no nentina nanokafana izany hetsika izany omaly tolak’andro.

Nandritra ny laha-teny sy famakiana ireo andàlan-tsoratra masina no ahatarafana ny fanomezan-danja ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fikatsahana hatrany ny fiadanana miainga ao an-tokatrano ka mipaka eny amin’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny izay mitarika ho amin’ny Fandriampahalemana. « Fanaka voafidy hitondra fandriampahalemana ny vehivavy » izany no lahateny novoaboasin’ny Mpitandrina Rasendrahasina Zoé.

Tonga eto Madagasikara ny Mpitandrina roa vavy avy ao Mozambika, Felicidad Cherinda (filoha Nasionalm’ny fikambamam-behivavy ao Mozambika) sy Santa Maria Timbana Matias izay firenena avy nandray ny tanjozotra alohan’ny nahatongavany eto Madagasikara.

Vehivavy sambatra...

Nisolotena ny Minisitry ny Fiarovampirenena, Ramatoa Manorohanta Cécile, ny vadin’ny Lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy, Ramatoa Razafindralambo Simone avy amim’ny fitondram-panjakana izay namariparitra fa anisan’ny sambatra ny vehivavy malagasy mbola afaka manatontosa hetsika toy izao satria betsaka ny ezaka efa vita na dia mbola maro aza ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy eto Madagasikara.

Ny filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala, no nanolotra ny loka ho an-Andriamatoa Razafindramboa Bruno izay nahazo ny loka voalohany tamin’ny famoronana ny hira fanevan’ity « Tanjozotran’ny Vehivavy ho amin’ny fandriampahalemana » izay tontosaina eto amintsika ity.

Maro ny hetsika izay tanterahina eto mandritra izay folo andro andalovan’ny « Tanjozotran’ny Vehivavy ho amin’ny Fandriampahalemama » izay ka isan’izany ohatra ny hetsika lehibe atao eo amin’ny Esplanade Analakely ny Talata sy Alarobia izao, izay ahitana varotra fampisehoana, lapihazoa fitoriana ny filazantsara sy fanentanana ary seho an-tsehatra maro samihafa. Ny harivan’ny Alarobia dia hisy fanehoana fitafy mendrika ataon’ny vehivavy ao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ny alakamisy sy Zoma dia hitohy any Tsiroanomandidy ny hetsika. Mbola hisy ny fotoam-pivavahana izay atao any amin’ny Fiangonana FJKM Ambohijanaka ny zoma izao ary ao amin’ny « Paroisse Internationale » ny andron’ny Paska. Ny Talata heriny no hanaovana ny tomban’ezaka ary aorian’izay dia hitodidoha hody any aminy ireo solotena avy any Mozambika ary ny Alarobia ihany dia hiainga ho any Maorisy izay toerana handray ny fanilo ny solontena malagasy. Marihina fa dimanjato andro no faharetan’ity « Tanjozotran’ny Vehivavy ho amin’ny Fandriampahalemana » ity ka raha natomboka tany Maroc ka namakivaky firenena am-polony maro hatrany Nouvelle Calédonie dia vinavinaina hofaranan’ny Neuchatel Suisse izay misy ny foiben’ny CEVAA amin’ny volana Oktobra.

Nangonin’i Felana

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS