Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 10h47
 

Malagasy

Fanovana Governemanta

Be ny ministra tsy atokisana

mardi 8 avril 2008 |  995 visites  | Naivo kely

Tsy ho ela dia hiova indray ny firafitry ny Governemanta. Lalana iray tsy azo ialana io, satria dia misy ministra nilatsaka ho fidiana ho loholona ao. Fanampin’izay, dia maro ireo ministra amperin’asa ankehitriny no tsy dia azo hitokisana, ka isan’ieo ho esorina andaharana atsy ho atsy. Porofon’io ny fandrenesana fa maro amin’ireo mpiray donakafo amin’ny filoha no tsy raisiny mifampidinika aminy intsony. Nanomboka tamin’ny sabotsy teo dia banga ny toeran’ny ministra ao anaty Governemanta, satria lasa nanao fampielezan-kevitra. Samy mahatsapa angaha ny ministra sasany fa tsy ateza ny toerany ao anaty Governemanta ka aleo miroso maka ny toeran’ny loholona sitran’ny ahay dimy taona tsy voakitika. Tsapa fa manomboka ny disadisa eo amin’ny samy olom-panjakana ambony, ary ny alatsinainy hariva teo dia efa nisy ministra nandeha any ivelany, ary aorian’ny fifidianana loholona vao hiverina eto antanindrazana. Io disadisa anatiny io no hitakian’ny mpanohitra ilay tetezamita hiarahana mitondra.

Miandry izay ho endriky ny firafitry ny Governemanta vaovao isika rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS