Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Tribune libre

Antso ataon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM)

jeudi 4 mars 2010

Ho an’ny zanaky ny firenena Malagasy tsy an-kanavaka

Ry havana,

Ao aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra, ary ny fampiraisana avy amin’ny Fanahy Masina.

Mijoro hatrany amin’ny maha Raimandreny sy Mpaminany azy eto amin’ny firenena ny Fiangonana. Tsapany sy fantany ny zava-manahirana sy fitaintainana iainan’ny vahoaka Malagasy noho ny savorovoro ateraky ny tsy fifampihainoana ny tsy fifandeferana ary ny endrim-panararaotana samihafa hita eo amin’ny fiaraha-monina. Mangetaheta fitoniana mba hahazoana mandroso sy miaina amin’ny fiadanana ny zanak’ity firenena ity.

Koa, manao antso ho an’ny rehetra indrindra fa ny Kristianina ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, mba :

- hiaiky am-panetren-tena ny tsirairay fa samy manana andraikitra amin’izao toe-draharaha izao,
- samy hiaiky ny fahadisoany ary hibebaka amin’Andriamanitra noho izany,
- ho marina amin’ny teniny ary tsy hiteny fitaka fa hampanjaka ny fahamarinana hitana izay nifanarahana,
- hivonona hiroso amin’ny fifamelana sy ny asa fanonerana.

Ireo voatanisa ireo no hitan’ny Fiangonana fa lalana tsara hizorana hahatongavantsika amin’ny fitoniana sy fandrosoana ary ny fiainana amin’ny fiadanana.

Aoka samy hanohy sy hanamafy ny fotoana fibebahana ho an’ny tanindrazana ny Fiangonana Kristianina rehetra manerana an’i Madagasikara. Hanokana fotoana iombonana ho amin’izany koa ny Faritany FFKM rehetra amin’izay fotoana mahamety. Tsara raha mialoha ny Pasaka no hanatanterahana an’izany.

Fa hoy ny teny voasoratra ao amin’ny Galatianina 5 : 22-23 (DIEM) : “Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, fahalemem-panahy, fahononam-po, tsy misy lalàna manohitra ny toy izany”.

Antananarivo, faha 26 febroary 2010

Amin’ny Anaran’ny FFKM

Ireo Filoham-piangonana :
Monseigneur RANARIVELO Samoela Jaona - Filohan’ny EEM
Pastora Dr RAKOTO Endor Modeste - Filohan’ny FLM
Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina - Filohan’ny FJKM
Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA - Filohan’ny EKAR

13 commentaires

Vos commentaires

  • 4 mars 2010 à 08:47 | barija1 (#3906)

    C’est louable mais nous on veut plus de Mr Odon Razanakolona comme signataire de votre communiqué si on veut avoir avoir un résultat satisfaisant puisqu’il a déjà choisi son camp.Que les fidèles catholiques se ressaisissent.

    • 5 mars 2010 à 00:13 | Imaitso (#773) répond à barija1

      Mr Odon razanakolona dia ARSEVEKAN’NY EGLIZY KATOLIKA, MPISORON’NY AVO INDRINDRA, KA NA RATSY NA TSARA NATAONY DIA IZY SY ANDRIAMANITRA NO MIFANAZAVA AMIN’IZANY. RAHA ESORINA TEO NY ANARANY DIA FOANA HO AZY NY FFKM.

      Raha misy olona tokony ho esorina dia ny pasteur Rasendrahasina fa sady nandoto tena t@ fiaraha-misôsy no nolotoin’ny sasany(miaramila, raha marina ny filazany), tamin’ny am...ny, ka noho izany dia maloto anatiny sy ivelany izy.

      KANEFA IZY IO KOA DIA MITOVY TITRE @ ODON KA MITOMBONA HO AZY IZAY VOALAZAKO ERY AMBONY MOMBA NY ARSEVEKA.

    • 5 mars 2010 à 05:57 | Bema (#3917) répond à barija1

      ho aiza moa isika ity ? hanakorontana sa hitady vaha olana ?

  • 4 mars 2010 à 09:35 | mpitily (#1212)

    Tsara be ny hevitra saingy ny indro kely hitako dia :

    - hatreto aloha dia tsy mahatsiaro ho tompon’antoka @ izao fahantrana misy antsika izao izy telo mirahalahy zokiny sy ny mpomba azy, fa mitondra tena toy ireny hoe izy no tena masina indrindra fa razandry ihany no nanao ratsy.

    - tsapa fa tena mirona be @ Maputo sy Addis Abeba ianareo kanefa ange fifanarahana tsy tonga volana sy feno fitaka izy ireny. Tsy nilaza mazava ohatra ireny hoe firy avy ny minisitra fa dia hoe inclusif et consensuel fotsiny. Ianareo RAR no tokony ho saro-piaro 1ny @ hoe fifanarahana entre samy malagasy no ilaina fa tsy falin’ny hanaiky ny nataon’ny tany ivelany fotsiny. Ireo GIC ireo ange ka sady tsy mahay ny mahamalagasy antsika no tsy te-hahalala ny spécificité sy ny tantarantsika fa falin’ny mamoaka théorie-ny fotsiny. Ianareo moa nialangalana tsy nandray ny andraikitrareo ka dia izao ny vokany.

    Lesona ho anareo : aza milingilingy manao politika intsony @ sisa, na mialà aloha vao manao izany fa aza afangaro @ fitondrana fivavahana izany. Vakio tsara ny Baiboly fa niara-niasa t@ mpanjaka taloha tokoa ny mpaminany saingy nijanona ho mpaminany fa tsy nandeha niara-nitavana ny haren’ny mpanjaka sy niara-niriaria taminy teny foana.

    • 5 mars 2010 à 00:29 | Imaitso (#773) répond à mpitily

      Fidiran’ny mpitondra fivavahana @ politika ;

      Raha arakao ny vaovao dia efa nanapa-kevitra ny Fiangonana Katolika tsy hiditra afera politika satria hita ny tsy fetezany tamin’ny fifandraisana akaiky loatra an’i Ra-8 sy ny Kardinaly teo aloha. Vakio ny fanambaran’ny Eveka Novambre 2009, taloha kelin’ny nanomboan’ny rombo.

      Ny resaka fanelanelanana nataon’ny FFKM dia tsy ry zareo mihintsy tompoko no nilingilingy fa ny CI par les ambassadeurs no niangavy an’ireo hanao an’iny fanelanelanana iny.

      Nisy fotoana efa nanipy gants i Odon fa mbola niangaviana hanohy ihany.

      AZA MBA FOHY FITADIDIANA SY MORA MANOME TSINY. ARY RAHA IANAO NO TEO DIA HO NEUTRE VE IANAO ?

      ARY AZA AFANGARO NY HOE MANAO POLITIKA SY NY DENONCIATIONS ARY NY ANTSO ANDRAISANA ANDRAIKITRA AMIN’NY MAHA-KRISTIANA ; « la justice ne se separe pas de l’Envangile »

    • 5 mars 2010 à 06:26 | herybeloha (#3916) répond à mpitily

      Ry Malagasy,indrindra fa isika izay mitondra ny anarana ambony indrindra eto an-tany hoe:Kristianina,mba mahatsiarova tena fa samy tompon’andraikitra eo antrehan’i Jesosy Kristy isika rehetra na @ fiteny na fihetsika na @ atao rehetra,@ io zavatra mitranga eto Madagasikara io.
      Aza mifanenjika ny samy Kristianina fa na i Jesosy aza tsy nanenjika raha hoy ny mpianany hoe misy olona hafa mitory @ anaranao any dia hoy Izy:rehefa tsy manenjika Ahy izy dia miaraka amintsika...
      Atambaro ny heritsika kristianina hanoherana ny ratsy rehetra na ao an-trano(ady mivady,rar sy zanaka),ao @ fiankaviana(ady sy fifanenjehan’ny mpiray tampo),ao @ fiangonana(ny mpitondra fivavahana sy ny kristianina),ary indrindra isika mpanao politika milaza antsika ho « kristianina » fa tena ho hadinina mafy isika, eny fa na dia mbola eto an-tany aza :« ...aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao... ». Misy hajany sy hasiny ny anaran’Andriamanitra ary izay manaotao foana dia miomana fa hijinja ny vokany,na ho ela na ho haingana.
      Andao hivavaka sy hibebaka marina ary hifamela ka hitondra an’i Madagasikara eo anatrehan’i Jesosy Kristy ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana.
      Aoka isika ho tena mpakato an’i Kristy tokoa fa tsy ilay mpanao tompoko, tompoko fotsiny arak’ilay teniny t@ Izy mbola tety.
      Misaotra antsika ary mirary ny hiverenan’ny fahendren’ireo Ntaolo zokintsika.

    • 5 mars 2010 à 09:53 | mpitily (#1212) répond à Imaitso

      Tsy azonao tsara agamba ny tiako lazaina. Tsy ny dénonciations sy ny fampihavanana mihitsy no ataoko hoe manao politique fa ny manaiky vidian’ireo mpanao politique @ volany ka zary lasa miandany fahatany aminy sy manasoaso azy etsy sy eroa. Mila omena exemples ve ianao ?

      Manao ny asany tokoa ny mpitondra fivavahana raha miaro ny fahamarinana sy ny fahamasinana ary ny fifankatiavan’ny samy malagasy. Na iza manao ratsy @ izany na iza dia mijoro mananameloka (tsy mankasitraka) an’izany ny Fgn ary na iza manao tsara na iza dia mankasitraka izy. Tsy maintsy mitandro ny neutralité-ny noho izany ny Fgn ary ny baikon’Andriamanitra ihany no tanterahany. Aoka tsy atakalo vola sy 4x4 sy tombotsoa ara-nofo ny fahamasinana sy ny fahamarinana.

    • 5 mars 2010 à 23:35 | Imaitso (#773) répond à mpitily

      OK mpitily

      MERCI !

  • 4 mars 2010 à 10:56 | xena (#774)

    Raha mbola anisany manasonia ao i Sendrahasina dia tsy hanankery mihitsy io fanambarana io ! I Sendrahasina manko dia sady pasitera mpandainga no mpisolelalaka amin-dRavalo. Nisaosy be manko io pasitera io, ary nahazo vola be tamin-dRavalo ! Aminay dia fanambarana tsisy valeur’ny io !

  • 4 mars 2010 à 14:48 | Zozohery (#2657)

    Mampalahelo sady mampihomehy daholo ianareo andaniny sy ankilany.
    Ny tena FAMINANIANA ?
    TSY MISY ZAVATRA HANDEHA AMIN’NY LAONINY IZANY ETO MADAGASIKARA, SATRIA SAMY GAIGILAHY DAHOLO na ny taloha ny amin’izao ary ny mbola ho avy koa aza.
    Mihomana fotsiny hihinana ny T..NY

    • 4 mars 2010 à 17:23 | mpitily (#1212) répond à Zozohery

      Resaky ny olona tsy manam-pinoana, pessimiste sy négativiste ny anao ka mampalaelo ! raha ohatra anao daholo ny gasy dia aleo misitri-belona.

      Mino aho fa Andriamanitra mbola hanavotra sy hanandratra an’ity firenena voafidiny sady tiany ity, isika malagasy sisa no andrasany hiverina sy hanankina ny fiainantsika Aminy.

      Izaho koa mino fa hanova zavatra betsaka @ fiainantsika izy ary anisan’izany ireo mpanao politika eto amintsika ka izany no ilazako hoe tsy ireo efa teo taloha izay tsy mendrika sy tsy nahavita azy ireo akory no hampitondrany antsika fa olona vaovao tia sy matahotra an’Andriamanitra. Amen !

    • 5 mars 2010 à 08:46 | etincelle (#3903) répond à mpitily

      Zaho izay miteny dia tena Katolika, ny tena fibebahana dia tsy mifampitora-bato fa mijery ny tenany. Noho ny maha katolika ny tenako dia mitodika manokana @ i Mgr Odon Marie Arsene Razanakolona ny tenako. Tsy anjaranay Kristianina katolika ny handondom-baravarana any @ Fiangonana sasany rahavavy ka hiantso azy ireo hoe mibebaha. Ny manala ny « sakamandimby » eo @ masontsika aloha ndeha atao fa tsy ny fahamaikana hanala ny tapak’ahitra eny @ mason’ny hafa.

      Izahay Kristianina Katolika dia nahatsapa ary nahita miharihary fa nandray anjara betsaka, angamba aza ny anjarantsika no lehibe indrindra, sy tompon’antoka t@ ny korontana sy fahantrana eto @ firenena ankehitriny izao isika Katolika t@ alalanao mivantana Mon Seigneur. Koa raha marina fa tamin-kintsi-po tokoa no namoahanareo ity fanambarana ity dia andeha isika Katolika hihaiky ny keloka vitantsika ary hangataka famelana @ vahoaka Malagasy manontolo fa noho ny anjara birika lehibe avy amintsika dia nidi-kizo @ zao toerana misy azy ankehitriny izao ny firenena ka simba tanteraka ny fiaraha-monina sy ny toe-karena. Rano raraka tsy azo raofina ny vita, fa ny fiekena heloka no sisa azo atao.

      Ny Soratra Masina vao novakiana tato @ Fiangonantsika @ zao karemy izao t@ lamesa andavanandro t@ Talata teo ny hoe : « Na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, hoy ny Tompo, dia ho tonga ho fotsy tahaka ny oram-panala izany raha mibebaka marina tokoa sy miverina amiko ianareo » (Izaia 1 : 18) ary t@ Alarobie 24 Fevrier ny hoe : « Aoka hitafy akanjo malailay daholo na olona na biby ary samy hiala @ fahazaran-dratsiny sao mba hamindra fo amintsika ihany Andriamanitra ka hanenina @ loza nokasainy hatao » (Jonasa 3 : 8-9).

      Tsy sanatria izahay Kristianina tsotra indray Mon Seigneur no hampianatra na hibaiko anao fa noho ny batemy noraisana no mahatonga anay hahatsiaro tena fa manana adidy hampatsiahy izay torian’ny Fiangonana.
      Mino sy manantena izahy mon Seigneur fa ho resy lahatra ianao satria tsy isalasalanay fa fahasoavana lehibe velarin’ny Tompo eo antrehantsika izao karemy izao hibebaha marina tokoa.

    • 5 mars 2010 à 12:33 | xena (#774) répond à etincelle

      Hita fa mpandainga ianao, ry etincelle, satria tsy katolika velively ianao fa protestanta iringiriny very saosy. Ny porofo moa dia tsotra ihany : ny baibolinao ampiasainao io tompoko dia baiboly protestanta. Mba mailo rehefa manoratra, fa mora sirika ny lainga e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS