Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 09h17
 

Malagasy

Marais masay

Alaina ho an’ny voay ny trondro maloto

mardi 8 avril 2008 |  667 visites  | Hery A.

Tsy ahitana vahaolana mihitsy ve ny famongorana ireo mpaka trondro eo amin’ny ranon’ny Masay ireo e ? Io no ady hevitry ny olona eny ambonin’ny fiara fitaterana, indrindra ny amin’ny zotra mandalo eny amin’iny faritra iny. Tazan-davitra ireo mpaka trondro, na andro na alina. Lakana maromaro mihitsy no miasa eo. Tamin’ny voalohandohany, taoriana kely izay nahavitan’iny làlana vaovao iny moa dia amin’ny andro alina no maka trondro ry zalahy. Alentiny ao anaty rano ny lakana amin’ny antoandro. Nandeha ny fisamborana tamin’izany, saingy fotoana fohy monja dia nitombo isa ireo mpanarato. Nisy ny olona tratra tamin’ireny ka fantatra fa namahanana olona ireo biby maloto. Niparitaka manerana ny tanàna ny trondro ary betsaka no tsy nahafantatra raha tsy efa mihinana. Nandeha koa ny feo fa ompiana amin’ny dobo, ivelan’Antananarivo ny trondro maloto, saingy tsy nahatakona ny maha trondro ratsy azy izany.

  • Hohanin’ny voay ?

Amin’izao fotoana izao, volana vitsy izay dia tsy niafina intsony ireo mpaka trondro eo amin’ity ranon’ny Masay ity. Lakana maro no ampiasain’ireo mpanarato. Toa hoe nahazo alàlana maka trondro eo ireo mpanarato, ka mpandraharaha miompy voay no mandray ny trondro azo eo. Omena ny voay hono ireo trondro ireo. Mety ho marina izany, nefa dia manamafy sy manakona ny fanararaotan’ireo mpivarotra trondro eny an-tsena izany. Azo antoka mantsy fa morabe ny vidin’izy ireny, nefa afangaro amin’ny trondro madio eny ambonin’ny latabatra ka maha sadaikatra be ihany.

Tsy aleo ve ny voay no alefa ao mihitsy, amin’izay hisy hitandremana, toy izay hifamahana maloto eto, sady mamono ny tsenan’ireo matihanina mpanafatra trondro madio, ivelan’Antananarivo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS